samedi 23 juin 2012

Very Vakana (Tarika Vetso. La Réunion )



Hiran'i Rolland Raoelison

Very vakana aho zavavy indro tonga mba hiangavy
Vakana inona hono izany sao mba hitako eny ihany

Vakana iray toa arivo
Filamatra koa ka tsahivo
Arendrika tsy mety levona
Pepoina vao maika matevina


Tena vakana tsara indrindra ( Tena vakana tsara indrindra)
Tsy miova ary tsy mba mifindra (tsy miova ary tsy mba mifindra)
Lotoina lotoina vao maika madio
Tsarovy sy mba tadidio
Io ilay vakam-pirenena
Tena kanto raha jerena

Haingondrazana fahiny izay mbola
Hita tsisy tsiny
Tsy azon'olona takonana raha izy no hiambozonana
Andramo ho hitanao fa ho mety izay atao

Tena vakana tsara indrindra (Tena vakana tsara indrindra)
Tsy miova ary tsy mba mifindra (tsy miova ary tsy mba mifindra)
Lotoina lotoina vao maika madio
Tsarovy sy mba tadidio
Io ilay vakam-pirenena
Tena kanto raha jerena

Haingon-drazana fahiny izay mbola
Hita tsisy tsiny
Tsy azon'olona takonana raha izy no hiambozonana
Andramo ho hitanao fa ho mety izay atao

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire