samedi 23 juin 2012

Very Vakana (Tarika Vetso. La Réunion )



Hiran'i Rolland Raoelison

Very vakana aho zavavy indro tonga mba hiangavy
Vakana inona hono izany sao mba hitako eny ihany

Vakana iray toa arivo
Filamatra koa ka tsahivo
Arendrika tsy mety levona
Pepoina vao maika matevina


Tena vakana tsara indrindra ( Tena vakana tsara indrindra)
Tsy miova ary tsy mba mifindra (tsy miova ary tsy mba mifindra)
Lotoina lotoina vao maika madio
Tsarovy sy mba tadidio
Io ilay vakam-pirenena
Tena kanto raha jerena

Haingondrazana fahiny izay mbola
Hita tsisy tsiny
Tsy azon'olona takonana raha izy no hiambozonana
Andramo ho hitanao fa ho mety izay atao

Tena vakana tsara indrindra (Tena vakana tsara indrindra)
Tsy miova ary tsy mba mifindra (tsy miova ary tsy mba mifindra)
Lotoina lotoina vao maika madio
Tsarovy sy mba tadidio
Io ilay vakam-pirenena
Tena kanto raha jerena

Haingon-drazana fahiny izay mbola
Hita tsisy tsiny
Tsy azon'olona takonana raha izy no hiambozonana
Andramo ho hitanao fa ho mety izay atao

mercredi 2 mai 2012

Tsy misy tsy ho diso - Solika




Tsy mba misy tsy ho diso

Fa izay mikiry no adala

Ny fitia, ny fitia no hamafiso

Tano mafy tsy hiala



Aoka re, aoka re tsy ho kirina

Raha toa analan'olo-tiana

Mibaboha lalandava o

Mba ho miramirandava



Raha miteny Ndrematoa

Aoka hihaino Ramatoa

Raha mananatra Rafotsy

Aza dia mamotsifotsy (2)

mardi 6 juillet 2010

Bakobako ro::Solika


BAKOBAKO ROA

Jereo kely, jereo ange ireto voromailala
D'ireo modely izay tokony ho tahafin'ny mana-malala
Ny azy ireny dia hajainy tokoa ny fitia
Azo toky, fady izay mba hania

Fa mandra-maty tsy mety lefy ilay fitia mitafotafo
Ka isan'andro indreo miainan-drotsirotsy sy safosafo
Tsy omby in-jato isan'ora ny feony no re
Re tsy miato mamerimberina hoe :

Bakobako rrroa... ry tokan'ny fo
Ry mamiko indrindra tsy hay ovana na hafindra
Anao rahavako itony fitiavako
Ny fo sy saiko, ny tenako anao ka hanjakao

Bakobako roa, ry tiako tokoa
Ny hiova fitia amintsika dia atao sanatria
Raha mbola mitempo ny fo
Na inona loza hanjo, sanatria
Ry tiana tsy roa
Bakobako roa


Andrianary RATIANARIVO

mercredi 30 juin 2010

Ho tsarovantsika



Ho tsarovantsika eto
Toy ny andro fahizay
Fony mbola, ola tsy nisento
Velon-dreny, velon-dray

Zany andro fahakely
Fony isika nilalao e!
Tsy hadino velively
Fa ao an-tsaina ao

Tadidinao va re!!
Tsaroako tsara indrindra e!!
Lalo, lala o , lala o, lala o, lala o

Sambatra re
Izay mifankatia
Lala o, lala o

Haody ry Analamanga