mardi 6 juillet 2010

Bakobako ro::Solika


BAKOBAKO ROA

Jereo kely, jereo ange ireto voromailala
D'ireo modely izay tokony ho tahafin'ny mana-malala
Ny azy ireny dia hajainy tokoa ny fitia
Azo toky, fady izay mba hania

Fa mandra-maty tsy mety lefy ilay fitia mitafotafo
Ka isan'andro indreo miainan-drotsirotsy sy safosafo
Tsy omby in-jato isan'ora ny feony no re
Re tsy miato mamerimberina hoe :

Bakobako rrroa... ry tokan'ny fo
Ry mamiko indrindra tsy hay ovana na hafindra
Anao rahavako itony fitiavako
Ny fo sy saiko, ny tenako anao ka hanjakao

Bakobako roa, ry tiako tokoa
Ny hiova fitia amintsika dia atao sanatria
Raha mbola mitempo ny fo
Na inona loza hanjo, sanatria
Ry tiana tsy roa
Bakobako roa


Andrianary RATIANARIVO

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire